Vavaka
fitsofandrano ireo mpianatra hiatri-panadinana
Atao amin’ny tsodrano amaranana ny Fankalazana: Eokaristia
na Fiangonana alahady
Mamelatra ny tanany ny Mpitarika raha Pretra na Diakra no mitarika.
Manakamban-tanana kosa ny Lahika.
Mpitarika: Avia atreho, ry Tompo, izahay
mpanomponao
ka ombao fanampiana fa mitalaho aminao;
ary efa sambatra izahay manana Anao Mpahary sy
Mpitantana,
ankaherezo izahay amin’ity fiainana ity
hikezaka hahazo ny soa any an-koatra.
Manatsotra tanan-droa eo ambony ireo tsofina rano ny
Mpitarika raha Pretra na Diakra
Koa mihanta aminao izahay,
arotsahy amin’ireto mpianatra hiatri-panadinana ireto
ny Fanahy loharanon’ny fahalalana
sy ny fahamasinana ary ny fiadanana.
Omeo azy ireo, ry Tompo,
ny fahatoniana feno izay ilainy
hahafahany hampiasa amim-pilaminana tanteraka
ny fahaizana rehetra izay niezahany fatratra
tamin’ny fianarany manontolo.
Ka ny vokatry ny asa vitany nandritra ireo taona maro
anie
hahasoa sy hampivoatra ny Eglizy sy ny Fiarahamonina
mba ho voninahitrao sy ho famonjena an’izao tontolo izao.
Amin’ny alalan’i Kristy Zanakao Tomponay no angatahanay
izany.
Daholo: Amen.
Tsofin'ny Pretra na Diakra rano ny vahoaka:
Mpitarika: Enga anie hirotsaka amintsika
ary homba antsika
mandrakariva ny tsodranon’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra:
ny Ray sy ny
Zanaka † sy
ny Fanahy Masina.
Daholo: Amen.
Mpitarika: Mandehana amim-piadanana ka anomezo voninahitra ny Tompo ny
fiainana manontolo.
Daholo: Hisaorana anie Andriamanitra.
Raha Lahika dia manao famantaran'ny hazofijaliana amin'ny tenany:
Mpitarika: Enga anie hirotsaka amintsika
ary homba antsika mandrakariva ny tsodranon’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra:
ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.
Daholo: Amen.
Mpitarika: Ankalazao ny Tompo